Intelo

Intelo

Teilen

Ho ahy no anoratako ato aloha vao ho an'ny hafa. Ny fomba fijery dia ahy samy irery.

Photos from Intelo's post 12/07/2026

Zavatra iray tena tsy noeritreretiko mihitsy izany hoe hianatra CAUSAL INFERENCE dia tsy maintsy hampiasa REFERENCE mazana be tahaka ny Weak Convergence and Empirical Processes an'i Aad van der Vaart.

Ny niheverako an'izany CAUSALITY izany taloha dia hoe METHODOLOGY tsotsotra miaraka amin'ny ASSUMPTIONS mahery be fotsiny ka noho izany dia mora ny MATHS ambadik'ilay izy.

Vao nokasihan'i van der Vaart ilay DOMAINE de tena hoe lasa mazana be. Efa fahenoko matetika hoe "statistics can't get more theoretical beyond Aad" (izay azo iadiana hevitra). Fa tena mazana izy anaty FORMALISATION an'ny statistika ka. Anisan'ireo voalohany nanao RANDOMNESS amin'ny NON-BOREL MEASURABLE SETS izy. Fa tena iza no nahalala hoe efa tongany hatrany amin'ny CAUSALITY ilay izy.

Tena opportunité lehibe ny fahafahana mianatra mivantana amin'i van der Vaart. Rehefa nandinika aho dia mety hozaraiko eto ihany izay azoko avy aminy mba hotsakotsakoin'ireo efa manana fahalalana matotra momba ny MEASURE THEORY sy FUNCTIONAL ANALYSIS ary THEORETICAL PROBA/STATISTICS. Efa niera taminy aho ka izay liana dia mandefasa MP fa homeko ny boky vaovao (mbola tsy edition anefa ka mety mbola misy disodiso kely eny antsefatsefany eny) nosoratany momba ny CAUSALITY.

12/07/2026

Zavatra FACTUAL kanefa tsy CONTRE-FACTUEL. Tsy misy mahalala hoe ohatry ny ahoana indray ny zava-nisy raha tsy niditra teto ny fivavahana kristiana satria tsisy nanao EXPERIENCE mahakasika an'izany.

Ka noho izany dia tsy afaka milaza mihitsy isika fa ny FIVAVAHANA KRISTIANA no anton'ny tsy fanjarian'ny fiaraha-monina Malagasy ankehitriny. Misy CONFOUNDER lehibe ilay izy satria fivavahana kristiana nentina nandritry ny fanjanahan-tany.

"MISY MALAGASY DIA MAHAVITA MITENY HOE ALOHAN'NY NIDIRAN'NY FIVAVAHANA TETO DIA TAO ANATIN'NY AIZINA ISIKA. MIFANIPAKA AMIN'IZAY NY AHY NO HITAKO HOE NANOMBOKA NAMPIDIRINA TETO NY FIVAVAHANA DIA NIDITRA TAO ANATIN'NY AIZINA ISIKA."

Eris Rabedaoro

𝘼𝙊𝙏𝙍𝘼 𝙌𝙐𝙊𝙏𝙀

Rejoignez-nous sur notre chaîne WhatsApp https://whatsapp.com/channel/0029Vb7gL3TGpLHM6n8tD11W

05/07/2026

Rehefa lehibe no miverina mijery ity sary miaina ity dia tena tonga saina hoe hafatra tsara be dia be kay no nofonosiny.

Indrindra amin'ny maha mpifindra monina ny tena, dia tena maro ny hoe zavatra tsapa sy iainanao no aseho ao amin'ilay Azur et Asmar. A masterpiece.

Hita ao ihany koa ireo endrika RACISMES maro. Ilay fisainana mametraka ny ZAREO sy IZAHAY. Ny fisainana tsy manaja ny kolon-tsain'ny hafa izay tsy mahazatra ny tena.

Un blond aux yeux bleus et un africain aux cheveux frisés, 2 princes.

05/07/2026

Raha toa ianao mpianatra manoratra THESE na mpikaroka, dia inoako marimarina fa fitaovana tsy maintsy hampiasainao ny iray amin'ireto:

1) Calendar (Google calendar, outlook, iCalendar, sns)

Ny voalohany dia ny CALENDAR. Voafetry ny fotoana ny zava-drehetra ka ilaina ny mandahatra ny fotoana amin'ny fomba mirindra. Ny CALENDAR dia misy azy avokoa ny finday rehetra. Ahafahana ihany koa manaraka ny fivoaran'ny fikarohana sy ny fandaniam-potoana ny fandranketana ireo asa anatin'ny fotoana voafetra.

2) Google scholar

Ahafahana mikaroka ireo ARTICLE ilaina hanorenana ny fikarohana. Ny mahatsara azy dia misy mari-drefy ihany koa, tahaka ny CITATIONS, izay ahafahana mijery ny lanjan'ilay ARTICLE.

3) Github

Ho an'ireo izay mampiasa PROGRAMMATION dia tsara kokoa ny mametraka ny CODE any amin'ny github mba hanamora ny fiaraha-miasa raha toa tsy maintsy hiaraha-manoratra amin'olon-kafa izany CODE izany. Manamora ny fizarana ny CODE ihany koa (raha toa ka hanao PUBLICATION na mba te hizara fotsiny).

4) Overleaf

Raha taloha dia natokana ho an'ny mpisehatra amin'ny Maths - Stat - Computer Science ny fampiasana LateX, ankehitriny dia saika mampiasa azy avokoa ny mpikaroka rehetra rehefa manoratra. Ny overleaf dia ahafahana mampiasa LateX ONLINE ka noho izany dia tsy mila mampiditra ilay LateX anaty solosaina fa tahaka irony mampiasa Google Doc irony. Ny tena tombony amin'ny fampiasana ny Overleaf dia manamora ny fiaraha-miasa, mirindra kokoa ny endriky ny asa soratra, ary mora kokoa ny mandamina ireo sarisary sy bibliographie. Ireo JOURNAL malaza rahateo dia manana TEMPLATE overleaf avokoa ka manamora ny FORMATTING ihany koa izy rehefa hanao publication.

5) Carnet

Na dia eo aza ny teknolojia maro isan-karazany dia tsara foana ny manana CARNET kely iray handraisana an-tsoratra ny fizotra sy fivoaran'ny fikarohana atao.

05/07/2026

Ny tena mahasarotra ny miaina dia izao: mitaky fiovana ny fiainana.

Ilay fiovana io anefa tsy mora ny manatanteraka azy, eny fa na dia mora aza ny mahalala izay fiovana tokony hisy.

Ohatra fotsiny, raha tsy mahafa-po ny voka-pianarana, dia fiovana tsotra no ilaina: mianatra kokoa. Eny fa na dia zavatra tsotra indrindra tahaka izany dia sarotra dia sarotra ny manatanteraka azy.

Izaho manokana dia mahita fa ny olona ambony indrindra dia tsy izay tapom-pahaizana na izay manam-bola, fa izay manana fahafahana feno manatanteraka izay fiovana tiany hisy eo amin'ny fiainany. Te hifoha amin'ny 4 ohatra izy rahampitso de mifoha amin'ny 4 izy. Te hianatra teny vahiny 2 ora isanandro izy dia ataony izany.

Tena sarotra anefa no hahatongavana amin'io lenta io. Izay ilay hoe olon'afaka, tsy fehezin'ny saina intsony fa mamehy ny saina sy ny vatana.

01/07/2026

Ny 0 sy 1

Amin’ny maha statistisiana ahy, ny fahitako ny fiainana dia fifampitohizan’ny trangan-javatra maromaro. MIsy ny efa nitranga sy ny mbola hitranga. Misy ihany koa anefa ny tsy nitranga sy ny tsy hitranga.

Ny fitrangan’ny zavatra iray dia tsy manome fahalalana mahakasika izay mitranga ihany fa izay tsy mitranga ihany koa. Raha “afaka” fanadinana aho, dia fantatra ihany koa fa tsy “tsy afaka” fanadinana. Ny fahalalana ny nitranga sy izay mety nitranga kanefa tsy nitranga dia manome fahalalana mahakasika ny tontolo amin’ny ankapobeny.

Ny fahalalana ny tontolo dia ahafahana aminavinana ny ho avy izay mbola tsy nitranga. Ny faminavinana anefa dia mitaky fepetra, ka anisany amin’izany ny fahafahana mieritreritra ireo toe-javatra rehetra mety hiseho.

Lalina loatra ny fiainana satria amin’ny alalan’ny 0 sy 1 isika olombelona dia afaka mamokatra ny toe-javatra rehetra mety hiseho ara-matematika.

Raha misy ny fahalalana mampitolagaga (ho ahy manokana) dia ny fiasan’ny 0 sy 1 amin’ny fiainantsika. Ny fisiana sy ny tsy fisiana.

Ny fifampitohizan’ny 0 sy 1 mandrakizay no hery ao ambadiky ny kisendrasendra (Fundamental Probability Space). Ny isan’ny fifampitohizan’ny 0 sy 1 mandrakizay no nanokatra ny saintsika mahakasika ny halehibiazan’ny “tsy manam-petra” (Aleph 0 < continuum). Tsy zoviana moa ny herin’ny 0 sy 1 eo amin’ny kajy ka nahafahan-draolombelona namorona solo-saina mahavita mikajy lavitra noho ny vitany (Binary code).

30/06/2026

Inona no nitranga ny fisasahan'ny volana Marsa 2026?
Nisy fiovana be mihitsy.

30/06/2026

Rehefa dinihana dia tena data lehibe no raketin'ity Facebook ity ho an'i Madagasikara. Ohatry ny hahaliana ny hanao fikarohana momba ny fomba fampiasana ny Facebook ho fitaovana politika. Asa efa misy manao ve izany. Misy hevitra tsara be mety hivoaka.

Hanandrana hangataka données amin'ny Meta aloha dia hita eo izay hanaovana azy raha mahazo.

29/06/2026

Raha toa ka tsy maintsy hanonona singa iray avy aty amiko niteraka soa lehibe indrindra teo amin’ny tontolo akademikako aho, singa izay nanokatra tontolo lehibe ho ahy, dia tsy inona fa ny FITIAVAKO MANORATRA.

Ny fanoratana dia mampiferinaina ny maro. Ny soratra anefa no fitaovana voalohany sy lehibe indrindra mandrafitra ny hafatra “ampitain-davitra”. Lavitra toy ny ahoana anefa. Tsy lavitra an-tanety ihany fa halavirana mitety taona maro sy taranaka fara aman-dimby.

Noho izay herin’ny soratra izay dia miasa amin’ny fampitan-kevitra maro ity farany. Na tsara aza ny hevitra dia tsy afaka hampiseho ny tena hatsarany raha tsy hay ny mamoaka sy mampita azy. Tretrika aho satria nanana fitiavana manokana ho an’ny fanoratana. Nanome fahakingana tsikelikely amin’ny fanoratana izany fitiavana izany.

Nahoana moa izaho no milaza fa singa lehibe niantoka fahombiazana izy ity?

Ireto misy ohatra vitsy, varavarana izay tsy nisokatra raha tsy tamin’ny alalan’ny fanalahidin’ny fanoratana:

1. Fangatahana vatsim-pianarana
2. Fifandraisana amin’ireo manam-pahaizana
3. Fizarana voka-pikarohana
4. Famakafakan-kevitra
5. Ity pejy ity

Ny olombelona iray dia sady misintona no mamoaka rivotra. Misy ny natao hiditra anaty ary misy ny natao hivoaka any ivelany. Toy izany ihany koa ny fahalalana - misy ny natao ho vakiana ary misy ny natao ho soratana.

Sary: lahatsoratra momba ny lohahevitra manakorotan-tsaina sy fanahy.

Wollen Sie Ihr Schule/Universität zum Top-Schule/Universität in Munich machen?
Klicken Sie hier, um Ihren Gesponserten Eintrag zu erhalten.

Kategorie

Webseite

Adresse

Munich
80935