Allô Rasazy

Allô Rasazy

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Allô Rasazy, Medical and health, Mahajanga, Majunga.

11/09/2026

🛁👶 IMPIRY ISAN-KERINANDRO NO TOKONY HAMPANDROANA NY ZAZA VAO TERAKA?

❓ Misy reny manontany hoe: “Tokony handro isan’andro ve ny zaza vao teraka?”

👉 Tsy voatery! Amin’ny ankapobeny, 2–3 fois isan-kerinandro dia efa ampy ho an’ny zaza vao teraka.

🧼 Amin’ireo andro tsy handroany kosa, diovy tsara isan’andro:
• ny tarehy sy vozona
• ny faritra misy plis
• ny tanana
• ny faritra misy couche

💡 Rehefa mampandro azy: rano matimaty no ampiasaina ,fandroana fohy izany hoe tsy atao ela be

❤️ Impiry isan-kerinandro no ampandroinao ny zanakao? Zarao ao amin’ny commentaire 👇

10/09/2026

🌙🤰 BEVOHOKA NEFA TSY MAHITA TORY MIHITSY AMIN’NY ALINA?

Misy reny bevohoka mahita hoe: vao alina dia tsy tafatory, mifamadibadika eo am-pandriana, na mifoha imbetsaka. 😩

👉 Inona no mahatonga izany?

Mandritra ny fitondrana vohoka dia misy fiovana maro ao amin’ny vatana ka mety hanelingelina ny torimaso:

🔹 Fiovan’ny hormones
🔹 Fitomboan’ny kibo ka sarotra ny mahita toerana mampahazo aina
🔹 Fandehanana mipipy matetika amin’ny alina
🔹 Fihetsiky ny zaza
🔹 Aigreur na reflux (Asidra miakatra avy ao amin’ny vavony ka mahatonga fahamaizana eo amin’ny tratra na tenda)
🔹 Fanaintainan’ny lamosina na crampes
🔹 Ahiahy sy eritreritra maro momba ny vohoka sy ny fiterahana

💡 Miezaha hanana ora fatoriana raikitra, ialao ny café na dite misy caféine amin’ny hariva, aza misotro rano be dia be alohan’ny hatory, ary mitadiava toerana mampahazo aina amin’ny ondana.

⚠️ Raha lasa mafy sy maharitra ny tsy fahitan-tory ka tena manelingelina ny fiainanao andavanandro, dia tsara ny manatona mpitsabo.

❤️ Ry maman, ianao ve rehefa bevohoka dia sahirana amin’ny torimaso amin’ny alina? Inona no fikafika nataonao ?

👇 Lazao ao amin’ny commentaire, mety hanampy reny bevohoka hafa koa

09/09/2026

🏍️🤰 AFaka mandeha MOTO ve ny vehivavy bevohoka?

Fanontaniana napetraky ny reny iray tato amin’ny page Allô Rasazy. ❤️

👉 Amin’ny ankapobeny, tsy ny moto mihitsy no voarara tanteraka mandritra ny fitondrana vohoka, fa ny olana lehibe dia ny mety hisian’ny fianjerana na lozam-pifamoivoizana.

⚠️ Rehefa bevohoka, indrindra rehefa mihalehibe ny kibo, dia mety hiova ny fifandanjan’ny vatana. Raha misy fianjerana na dona mafy dia mety hampidi-doza ho an’ny reny sy ny zaza.

✅ Raha azo atao, aleo misafidy fitaterana azo antoka kokoa mandritra ny fitondrana vohoka.

🚨 Raha avy nianjera na voadona ny vehivavy bevohoka, indrindra raha misy:
• rà mivoaka
• rano mivoaka amin’ny fivaviana
• fanaintainana kibo na lamosina
• contractions
• fihetsiky ny zaza mihena

➡️ Mankanesa haingana any amin’ny tobim-pahasalamana na hopitaly, na dia toa tsy dia mafy aza ny dona.

💬 Ary ianao, efa nandeha moto ve ianao nandritra ny fitondrana vohoka? Nanao ahoana ny zavatra niainanao? Zarao ao amin’ny commentaire. ❤️

08/09/2026

🚨 ACCIDENT : FA MANINONA NO TSY AZO BATÀINA AVY HATRANY ILAY OLONA?

Rehefa misy olona voadonan’ny fiara 🚗, aza maika hanangana na hitondra azy, raha tsy misy loza maika eo amin’ilay toerana.

👉 Mety hisy ratra amin’ny hazondamosina, vozona na taova anatiny izay tsy hita ivelany. Ny fampihetsiketsehana azy tsy amin’ny tokony ho izy dia mety hampitombo ny ratra.

⚠️ Raha tsy misy afo, fipoahana na loza hafa mitohy:
➡️ Avelao amin’ny toerana misy azy.
➡️ Antsoy haingana ny vonjy taitra.
➡️ Aza avela hihetsika be ny lohany sy ny vozony.

❤️ Ny tsy fahafantarana dia mety hampitombo ny loza. Ny fahalalana kosa afaka mamonjy aina.

📢 Zarao ity publication ity mba hahafantaran’ny olona maro izay tokony hatao rehefa misy accident.

06/09/2026

👨‍🍼❤️ PAPA, IRETO NO ANDRAIKITRAO AMIN’NY FIANDRASANA NY VAHINY KELY? 👶🤰

Ny fiandrasana zaza dia tsy andraikitry ny reny irery. Manana anjara lehibe koa ny Papa! ❤️

👉 Manohana sy mampahery an’i Maman
👉 Manampy amin’ny asa ao an-trano
👉 Miara-manao suivi de grossesse raha afaka (mitondra an'i maman misafo)
👉 Mikarakara ny sakafo sy izay ilain’i Maman
👉 Miomana amin’ny fiterahana sy ny fahatongavan’ny zaza
👉 Mahalala ireo famantarana mampidi-doza amin’ny vohoka
👉 Ary indrindra… manome fitiavana sy fahatoniana an’i Maman 🥰

💬 Papa, inona amin’ireo no efa ataonao ho an’ny vadinao sy ilay vahiny kely? 👨‍👩‍??❤️

-pianakaviana

06/09/2026
06/09/2026

Mbola misy Reny tsy mitondra ny zanany hatao vaksiny ve amin'izao?

03/09/2026

👶🧠 “RASAZY, MBOLA TSY MIKATONA NY LOHA MALEMIN’NY ZANAKO 2 VOLANA! NORMAL VE?” 😰

Aza matahotra ❤️! Raha 2 volana monja ny zanakao dia tena ara-dalàna raha mbola misokatra ny fontanelle na ilay antsoina hoe loha malemy.

🧠 Fa rahoviana izy no mikatona?

👉 Ilay fontanelle lehibe eo an-tampon-doha dia matetika mikatona eo anelanelan’ny 12 sy 18 volana. Mety hikatona aloha kokoa na aoriana kokoa, ka tsy mitovy tanteraka ny zaza rehetra.

👉 Ilay fontanelle kely any aoriana kosa dia matetika mikatona ao anatin’ny volana voalohany amin’ny fiainan’ny zaza.

⚠️ Noho izany, tsy mila mampiasa fanafody na manao zavatra manokana hampikatona azy ny reny. Aza tsindriana na kosehina mafy ilay faritra.

💡 Ny fontanelle dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fitomboan’ny karandohan’ny zaza, satria mbola mitombo haingana ny atidoha mandritra ireo volana sy taona voalohany.

❤️ Raha 2 volana ny zanakao ka mbola malemy eo an-tampon-doha, dia tsy antony tokony hampanahy izany.

Raha toa kosa ka mivonto be tsy midina, na milentika be, na miaraka amin’ny soritr’aretina hafa mampiahiahy ilay fontanelle, dia tsara entina manatona mpitsabo.

👇 Ry Reny firy volana ny zanakao izao? Mbola misokatra ve ny loha maleminy?

22/08/2026

🤰⚠️ FANTATRAO VE NY ATAO HOE PRÉ-ÉCLAMPSIE?
Ny pré-éclampsie dia fahasarotana mety hitranga mandritra ny vohoka, matetika aorian’ny 20 SA, izay fiakaran’ny tension artérielle ary mety hisy fiantraikany amin’ny taova sasany, toy ny voa na aty.

🚨 Inona avy ireo famantarana tsy tokony hatao tsinotsinona
Aza miandry raha toa ka:
🤕 Marary loha mafy, mitohy tsy mijanona
👁️ Manjavozavo ny maso
🤰 Marary mafy eo ambanin’ny taolan-tehezana, indrindra amin’ny ilany havanana
🫧 Mivonto tampoka ny tarehy na tanana
🤢 Maloiloy na mandoa tsy mahazatra
⚖️ Fiakarana tampoka amin’ny lanja noho ny fitazonan-drano
💓 Tosi-drà avo
⚠️ Indraindray anefa dia mety tsy hisy soritr’aretina mazava mihitsy, ka izany no maha-zava-dehibe ny fanaraha-maso mandritra ny fisafoana

🛡️ Ahoana ny fisorohana?
Tsy misy fomba afaka misoroka 100% ny pré-éclampsie. Fa tena zava-dehibe ny:
✅ Manaraka tsara ny consultation prénatale (CPN)
✅ Mijery tension isaky ny misafo
✅ Manao ireo fitiliana sy échographie omen'ny mpitsabo
✅ Mihinana sakafo voalanjalanja sy misotro rano ampy
✅ Raha manana risika ambony ianao, ny Dokotera na ny Rasazy no mety hanome traitement fisorohana

👉 Ny fitsaboana dia miankina amin'ny hamafin'ny pré-éclampsie sy ny vohoka. Mety ilaina ny fanaraha-maso akaiky, fanafody hampidina tension, ary raha toa ka "cas grave" dia mety hiditra hopitaly.
Bevohoka ve ianao?

👉 Zarao amin'ny vehivavy bevohoka iray ity publication ity. Mety ho fampahalalana tena ilainy

22/08/2026

🤰🧂 “RASAZY, BE SIRA VE NO NAMPIVONTO NY TONGOTRO?” 😳

Betsaka ny vehivavy bevohoka no mahita fa mivonto ny tongotra sy kitrokely, indrindra rehefa hariva. Fa tena ny sira ve no antony? 👇

🧂 ENY SA TSIA?

👉 Tsy ny fihinanana sira be loatra no antony tokana.

Mandritra ny vohoka dia mitombo ny habetsahan'ny rà sy ny ranon'ny vatana. Rehefa mitombo ny tranonjaza dia mety hanery ny lalan-drà mamerina rà avy any amin'ny tongotra, ka mahatonga ranon-javatra hiangona eny amin'ny tongotra sy kitrokely.

Noho izany, fivontosana malefaka amin'ny tongotra roa, miseho tsikelikely ary mihamafy rehefa hariva, dia mety ho fiovana mahazatra mandritra ny vohoka.

🧂 Ary ny sira?

Ny sodium ao amin'ny sira dia manampy amin'ny fitazonan'ny vatana rano. Raha be loatra ny sodium, dia mety hampitombo izany fitazonan-drano izany.

➡️ Koa tsara ny tsy mihoatra amin'ny sira, fa tsy midika hoe tokony hanafoana sira tanteraka ny vehivavy bevohoka, raha tsy misy toromarika ara-pitsaboana.

⚠️ FA ITO NO TENA ZAVA-DEHIBE!

Aza mieritreritra avy hatrany hoe “ny sira no nampivonto ny tongotro.” Mety hisy antony hafa mila jerena.

🚨 Tandremo indrindra raha:
- tampoka be ny fivontosana
- mivonto koa ny tarehy na tanana
- misy aretin-doha mafy
- manjavozavo ny fahitana na mahita hazavana mitselatra
- marary mafy eo amin'ny kibo ambony/ambanin'ny taolan-tehezana
- na miakatra ny tosi-drà

👉 Ireo dia mety hampiahiahy pré-éclampsie, ka mila manatona mpiasan'ny fahasalamana haingana.

💡 Torohevitra ho an'ny reny bevohoka:
✅ Ahenao ny sakafo tena masira sy sakafo voahodina.
✅ Aza manajanona sira tanteraka raha tsy nasain'ny mpitsabo.
✅ Misotroa rano ampy.
✅ Aza mitsangana na mipetraka ela.
✅ Rehefa matory dia azo asandratra Kely (hakarina ambony ) ny tongotra.
✅ Ary indrindra, araho tsy tapaka ny tosi-drà mandritra ny fisafoana

Category

Website

Address

Mahajanga
Majunga