Apandy.

Apandy.

Share

" Aux grands maux, les grands mots "

10/08/2026

đź—Ł: ATO AIII

Misaotra amin’ny mozika Ny Antra

06/08/2026

/
Voapirimpiri-maraim-be ny trano,
Nasitrisitrika hatramin'ny seza,
Ny efitra tery, tsy antonona angano,
Ny fitia hameno azy no irian-ko ngeza.

Ny ato amiko akory tsy hoe raitra dia raitra,
Mahazo mianjaika ianao, tsy misy tsiny,
Tokantranon-dehilahy f’aza atao mahataitra,
Tena ela ny ela fa ho tojo vahiny.

Nasiam-panitsiana ny fanaka reraka,
Handalo sy hitoetra eo ny mpanjakavavy,
Izao ny ahy ny lapa, tsy atao mahamenatra,
Ianao hany tonga no handravaka azy.

Ny lambam-pandriana efa tonta, voasolo,
Ny rindrina loaka, efa voatampin-tsofina,
Voasasa ny vangy, voahety ny volo,
Im-polo misaika, manao mani-pofona,

Ny akany voavoatra milay sy mijajika,
No amin'ny ora farany ianao no tsy ho avy.
Naninona loatra he no mora mivadika ?
Ho tolomiko irery indray ny gisa matavy.

Apandy. - "(Tsy) Tonga vahiny"

05/08/2026

Efa mitsangana ity vondrona ity a

02/08/2026

đź—Ł: RALL A !

Asa soratra ahatsiarovana an'ireo namana nisafidy sy tsy nisafidy ny handao. Ary koa an'ireo miatrika ady irery. Noravahan'ny feon-gitaran'i Fetraniaina Valintsoa Fanojo

31/07/2026

/
Ho an'ireo sipa niriana,
Tsy sahy nolazaina mivantana,
Notiavinay foana mangina,
Androany efa misy mitantana.

Ho an'ireo feno fahatsorana,
"Sondenda sy nalai-nianjaika"
Ifonana re ka ifonana,
Ankehitriny nanjary nanaitra.

Ho an'ireo manara-poana,
Jejojejo sy mora miveraka,
Impiry teneninay foana,
Ny orokoroka io hoy aho mampiteraka.

Ary ho an'ireo sipa tsy zaka,
Nampitapy sy nahataratara,
Misaotra eh, nandĂ  sy nandratra,
Fa nahitanay ny tena tsara.

Izahay moa nijanona ho zaza
Mipiripirina, mahalala onona,
Tsotsotra tsy be mpankalaza,
Kelikely dĂ­a tsy hitan'ny olona.

Ianareo no nandeha sy nitoetra,
Ianareo no nampianatra anay,
Ny sasany lasa poeta,
Ny sasany nanjary voay.

Fa ny zavatra iraisantsika
Dia ilay lalam-be migodana,
Lasa tsiaro sy embona sisa...
Veloma eh, ry fahazazana !

"Veloma ry fahazazana" - Apandy.

29/07/2026

Raha sakaizako tokoa ialahy amin'ny fo madio,
Hividiano toaka tapany aho himamoako anio,
Aza asain'ialahy miresaka aho fa tsy tantiko,
Efa mila toa hitresaka ny ato anatiko;
Dia vonoy f’aza arehitra ireo jiro ireo,

Aza asian’ialahy ady hevitra fa avelao eo !
Ary andehana koa mandeha ialahy f’andrao bediko,
Raha sendrasendra ren' ialahy ny redirediko,
Dia akatony mora io varavarana io,
Ndrao misy manakora fa mamo aho anio
amin'io toaka io.

Tsy maintsy afeniko an’ialahy,
tena adalana ny ahy;
Na zandrikely tia ahy sy tsy foiko aza,
tsy afaka aho hilaza,

Fa nahoana hoy ialahy mantsy ahy no hisotro ianao ?
Sao dia mba manimba tena lahy fa tsy fomba izao.
Tsy afaka hilaza ny marina aho izay antony,
Fa rehefa tsy hividy hoy aho tsy misy antony;
Manam-bady aman-janaka aho sady tiako ireo,
Tsy mba mahatsiaro lanaka aho miasa ho an’ireo,
Saingy angamba tontom-bitana aho ka miavaka,
Te hanakatra ny kintana ho firavaka.

Fa rehefa laniko io dia
DĂ´zy aho dia
Mamo aho dia
Hiaka aho dia
Jenjina aho dia
Angamba adino hatreo..
ity nofy ratsiko.

RADO - Taoka tapany

28/07/2026

- As tu déjà été amoureux, chico ?
- Pas dans mes souvenirs, non.
- Tu vois cette jeune femme, lĂ  bas ?
- Ouais !
- Je l'aime, chico !
- Tu aimes ? TOI ?
- Ce n'est pas que je l'aime, non. JE L'AIME !
- Pourquoi particulièrement, elle, y en a de plus belle.
- Parce qu'un homme qui ne sait pas ce qu'il veut se perd dans ses querelles.
Tu sais, je suis un conquérant, je veux que tout mais vraiment que tout m'appartienne,
Et tu vois ce tout, face Ă  elle, je veux toute cette terre soit sienne,
Oui je sais, je fais des scènes, je suis du genre à prendre, à prendre sans jamais rien donner,
Mais depuis elle, grace Ă  elle, et pour elle, je pourrai tout abandonner,
Intangible, insaisissable, elle me pousse Ă  defier la limite du possible.
Avant elle, je me sentais indomptable, avec elle je me sens invincible.
La petite dame ne fait presque rien et elle arrive Ă  calmer mon humeur,
Je pensais ĂŞtre un homme bien, avec elle, je me sens meilleur.
Avec son regard comme phare, ma dévotion comme carburant, rien ne peut nous stopper !
Tu peux tout accomplir avec une femme comme ça à tes cotés.
Je peux convoiter tous les royaumes du monde mais ce n'est que dans son coeur que je veux ĂŞtre roi.
Alors chico ? Tu ne trouves pas qu’elle est faite pour moi ?

- Moi je crois surtout que l’alcool t’est monté à la tête, tu deviens trop tendre.
- Evidemment, toi, t’es trop bête pour comprendre.
- A ce point lĂ  ?
- Oui oui, Ă  ce point lĂ  !
- ...
- Un jour, je la marierai, chico ! Un jour, je la marierai.

Apandy.

Inspiré du film Scarface, 1983.

27/07/2026

/
Pi-maso ho anao nandĂ  fa hoe hijanona mpinamana,
Nahoana ankehitriny no nanjary niavonavona ?
Raha toa anao ny akama, aleo ihany lahy tsy manana,
Sao ary adinonao f'izaho ilay tia saingy nolavina
Pi-maso ho anao nandao sy koa niato tsy niresaka,
Tsy hita teny, tsy re feo fa lasa tampoka tsy hita,
Raha ny tafa sy ny tsapa nozaraina tena betsaka,
Moa va lahy tsy misy vidiny ny finamanantsika ?
Pi-maso ho anao tsy nanao toky fa tanilako teny ihany,
Ny fisianao indraindray no manainga ahy isa-maraina,
Mety hivalona ny taona f'ianao tsy ho adino izany,
Eo foana aho f'aza manahy, eto foana aho raha ilaina.

Apandy in "Pi-maso"

26/07/2026

đź—Ł: ASA SAROTRA NY ASA SORATRA ?

(Manina sehatra aho.)

24/07/2026

/
Impiry aho latsa-pitia, tia fa toa tsy sahy mamboraka
Ny tavanao no tamy an-tsaina vao resahana mpanoratra,
Ny ao anatiko ao no mihoraka, mahare ny anaranao,
Moa ahoana no fomba atao raha te ho malalanao ?
Faniriana nahazo faka mantsy ny ahy, tsy hoe vaky tsiry,
Ny hoe tia anao fa tsy tsinapa no hany lasa hirifiry
Ianao no tsy ahavitako mikimpy sy tsy mampahita tory
F'Izaho tsy tazanao mihitsy, tsy mba fantatrao akory
Ianao anefa haiko toy ny anarako,
Ny tsikinao miantsehatra iny mahavita ny hasambarako.
Mba tiako ho tsapa mihoatra noho ny zavatra rehetra,
Ny ho tiavinao poeta.

Impiry aho no manantena, impiry aho maminavina hoe
Izaho sy ianao irery manao antsa an-tononkalo ao an'efitra mangina,
Ho alahatrao ny rima, ny minitra ho lasa ora,
Ny momba ahy manontolo no hany handanianao rora
Ho fenoinao amin'ny penina ny ravi-taratasiko tsy mbola nokasihana,
Ho aravinao am-bava ireo diso tsipelina noheveriko fa kiana,
Hay kanto imasonao, poeta sy mpankafy no lasa mpifankatia,
Porofoiko anao f'aty koa misy teny tonga nofo te ho ataonao poezia
;
Ny lelanao tsy hiventy intsony voambolana hafa afa-tsy ny anarako,
He ! Ho hitako eto ny hasambarako;
Mba nofy tiana ho tafatoetra ny ahy fa nofy voafetra,
Ny ho tiavinao poeta.

Apandy - "Fitiavana poeta"

Category

Address

Manakara
316

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Apandy. posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Subscribe

We will notify you when anything happens in Manakara.