SAVA TSARA Ressources
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from SAVA TSARA Ressources, Art, Sambava.
♻️ SAVA TSARA RESSOURCES | Sambava, SAVA – Madagascar 🇲🇬
Entreprise artisanale d’économie circulaire.
🔄 Valorisation des déchets & production durable
🎨 Promotion des artisans malgaches
🤝 Commerce équitable
🌍 Investir local, impacter global
12/09/2026
🇲🇬 ♻️MIARAKA NO MAHERY !
ZARAO amin’ olona tia fandrosoaña hotrany ianao ity hafatra ity💚
👀👀 HITONDRA FAHOMBIAZANA HOANAO ITY PUBLICATION ITY RAHA MAHAVAKY ATRAMIN'NY FARANY🙂 📖👇👇👇👇👇👇
🇲🇬 MADAGASIKARA TSY HANDROSO ENGANA RAHA SAMY MIASA IRERY ISIKA.
Misy tanora maro manana talenta , nefa tsy mahita fahafahana.
Misy artisan manana fahaiza-manao, nefa mbola miasa irery.
Misy entrepreneur manana hevitra, nefa tsy manana tambajotra.
Ary misy fako betsaka manodidina antsika, nefa mbola heverina ho zavatra tsy misy vidiny.
Fa hoy izahay ao amin’ny SAVA TSARA RESSOURCES:
👉 Tsy voatery ho olana ny zavatra ananantsika. Hafaka avadika lasa fahafahana izy rehefa mahay miara-miasa isika.
♻️ Fako → harena
🧑🎨 Talenta → asa
💡 Hevitra → orinasa
🤝 Fiaraha-miasa → hery
🌱 Fiarovana tontolo iainana → fampandrosoana
Tsy voatery hiandry olon-kafa hanova an’i Madagasikara isika.
ANDRAIKITRA→ MAMPITAMBITRA → MIHETSIKA → MANOVA.
💚 SAVA TSARA RESSOURCES dia mino fa rehefa tafaray ny herin’ny tanora, artisan, entrepreneur, communauté ary mpisehatra rehetra…
Afaka mamorona zavatra lehibe isika.
🇲🇬 "ANKANGA MARO TSY VAKIN'NY AMBOA. IZAY MITAMBATRA VATO FA IZAY MISARAKA FASIKA," Hoy ny ntaolo 🙏
Samy manana ny heriny isika. Fa rehefa mitambatra izany hery izany, afaka manova an’i Madagasikara.
👉 Tag-o ny artisan na entrepreneur Malagasy na ny olompirenena tokony tsara mahita ity hafatra ity.
👉 Zarao amin’izay olona mino fa mbola afaka mandroso i Madagasikara.
👉 Soraty hoe « MIARAKA NO MAHERY » raha vonona hiara-hiasa ianao. 💚
Namako Rico Laivao aty AMBODISATRANA II SAMBAVA 208. ANDIFASO MP IZY RAHA TEHIRESAKA AMINAZY MIIVANTANA.
Misaotra aminy FAHATOKISANA, FIARAHA MIASA ATRIZAY ARY NANEKY NAÑAMBARA NY FAHITAVANAO AZY.
👉👉 Hoanao izay tehiarahiasa na tehiditra ho ekipan'ny SAVA TSARA Ressources 😊💚♻️ MIDIRA MP na antsohy ity numéro Ity : 032 27 107 35.
♻️🧹🏫 teña nahatsapa ny SAVA TSARA Ressources fo maro mahay miteny Anglisy sy miasaloha amin'ny fiarovaña Tontoloiainana ity Sekoly ity 👏👏👏 hoany mpapianatra fa tsara ny vokatra. Arabaiñy koa ny mpianatra 💚
Mankasitraka indrindra atrany amin'ny fahatokisaña napetraka ny TALE ny Sekoly amin'ny ekipanay fo voñono izay amin'ny fitohizany fiarahamiasa maharitra.
🇺🇸Amerikanina tia miteny Malagasy sy 🇲🇬Gasy tia miteny Anglisy
🏫 Misaotra ny TALE sy Mampianatra teny Anglisy ato amin'ny ÉCOLE ABC fo teña mahay mampiatra teny Anglisy ireto mpapianatra Gasy roa lahy ireto : Mamy Ramarosata sy 🙏🙏💚💚
SAVA TSARA Ressources dia misaotra amin'ny FIARAHAMIASA 💚 no misaotra amin'ny fandresanandre anjara taminy famafa 80 isa 🙏
💚AZA MIALA LAVITRA FO HOAVY NY RAHA MAROTSARA ATY AMIN'NY FARITRA HOHITANTSIKA ETO AMIN'NY PEJY ITY.
Zahava fo mahay raha ny zanakan'ny faritra ay!!!
Izay ny atao hoe SAVA TSARA Ressources 😊
Alefaso aty ABC AMBODISATRANA II SAMBAVA, Zanakanao mianatra fo misy mpapianatra roa lahy zay ao mahay Mampianatra Anglais ay hozaha fo: Mamy Ramarosata draiky
🙏🙏Misaotra ny FIARAHAMIASA ny Sekoly nanaiky ny fisokafaña fiarahamiasa amin'ity taoño 2026 Ity.
Fañaporifoaña izaiñy ny efa ny nividiananjareo famafa vita aminy mihisa 80 mba ho fiarovaña ny tontoloianaña miaraka no sady nañamezaña fahatokisaña ny FIARAHAMIASA amin'ny fampianaraña hotran'izao izay notaritiny mpapianatra TANORA ralahy voalza etsy ambony ary nihotroñiny Amerikany misionera roa lahy.
01/09/2026
🌱 TSY MITOVY AMIN’NY TOERANA HANDEHANANAO NY TOERANA HANOMBOANAO.
Angamba INIANY ianao mbola tsy manana afa-tsy ny kely indrindra.
Tsy ampy vola.
Tsy ampy fitaovana.
Tsy ampy mpanohana.
Ary misy aza olona mijery anao ka mieritreritra hoe:
“Tsy hahavita an’io mihitsy ianao!”
👉 Avelao izy ireo hiteny.
Tsy fantany ny nofinofinao.
Tsy fantany ny tolona izay ataonao.
Ary indrindra… tsy fantany ny tena lanjanao.
🌱 Aza matahotra manonofy LEHIBE… fa mila sahy manomboka amin’izay kely anananao.
Ny dingana kely rehetra dia mampandroso anao.
Ny fahasahiranana rehetra dia mampianatra anao.
Ary anisan’ny lalana mankany amin’ny fahombiazana ny sakana.
💚 Reraka ve ianao? Mialà sasatra Kely aloha.
Fa aza miala amin’ny nofinofinao.
Tohizo indray rehefa mahazo hery ianao.
Satria indray andro any, ireo olona nisalasala taminao dia tsy hahita afa-tsy ny vokatra nateraky ny faharetanao. 🌳
♻️ SAVA TSARA RESSOURCES
Manova izay ariana ho lasa zava-tsarobidy.
💬 Raha mbola tsy vonona handao ny nofinofinao ianao, zarao amin’olona izay mila mandre an’izao androany ❤️
23/08/2026
FAMARANANA FESTIVAL DE LA DIACONIE DE LA BEAUTÉ" ETO SAMBAVA ATY AMIN'NY ÉGLISE CATHOLIQUE SAMBAVA CENTRE SAVA TSARA Ressources 🙏💚
Tongava mitsidika😊
21/08/2026
🔥 MANANKARENA I MADAGASIKARA ary misy eto amintsika.
NY FAKO ANIO NO METY HO HARENA RAHAMPITSO.
Ny tsian'asa anio no hiasa rahampitso.
Mitsangàna, mifoaza fa atsika iany no antoka voaloany hampandroso ANTSIKA.
🍾 Tavoahangy plastika ariana → manimba ny tontolo iainana.
❌ Fako miparitaka → fahasalamana tandindomin-doza, tanàna maloto.
❌ Ny tanora tsy an'asa mitombo isan'anandro
💚 SAVA TSARA RESSOURCES kosa hanova ny fomba fijery:
♻️ Fako → vokatra ilaina → fidiram-bola → asa ho an'ny Malagasy.
Ny talenta havadika ho fidirambola maharitra.
JIFAO NY
17/08/2026
Alo atsika jiaby samy HAMPIANATRA raha tianao ny NATIORA, ZARAO ITY mba HOANTOKON'NY fahatsaran'ny hoavin'ny fiainantsinka sy ny tontoloianana ntsika. TENENO ao amin'ny commentaire ny vokadratsin'ny fanaparitahaña Tavoangy plastika na ny plastika hafa, izay hainao.
SAVA TSARA Ressources