Truth Only

Truth Only

Partager

Informations de contact, plan et itinéraire, formulaire de contact, heures d'ouverture, services, évaluations, photos, vidéos et annonces de Truth Only, Organisation politique, 6, Rue des Scabieuses, Montpellier.

Photos from Truth Only's post 19/06/2026

TSY NY TABATABA NO MANAPAKA. TSY NY TSY MARINA AVERIMBERINA NO MAHATONGA AZY HO MARINA. NY LALÀNA SY NY ANTONTAN-TARATASY ARA-DALÀNA NO MANAPAKA.
Momba ny tany antsoina hoe « MARAIS D’AMBODITONONANA » – Titre Foncier n°2423-BA sy ny « MIAMI VILLAGE » – Titre Foncier n°16.025-BA, dia ilaina ny mampahafantatra ny vahoaka ny zava-misy marina, mifototra amin’ny antontan-taratasy sy ny didim-pitsarana.
Ny Titre Foncier n°2423-BA, navoaka ny 04 Desambra 1942, dia mirefy 21 ha 15 a dia tany lovan’ny fianakaviana maro mpandova.
Araka ny certificat de situation juridique navoakan’ny Sampan-draharahan’ny Fananan-tany, dia voasoratra ara-dalàna ireo mpandova sy ny anjara fananan’izy ireo.
Atoa RATOVOARISOA Tovo Andriamasinavalona dia nanana zo ara-dalàna tamin’ity tany ity izay nanana 7 ha tany am-boalohany ary nividy tsikelikely ny anjaran’ireo mpandova hafa tamin’ny alalan’ny fifanarahana ara-dalàna, fizaram-pananana ary fifampivarotana varo-maty voasoratra sy voasoritra ara-panjakana.
Vokatr’izany, dia nahazo ampahany mirefy 16 ha 92 a izy, raha mbola an’ny mpandova hafa kosa hatramin’izao ny ampahany sisa mirefy 4 ha 23 a.
Ireo fifampivarotana sy famindrana zo rehetra ireo dia voarakitra ara-dalàna ary niteraka ny famoronana ny Titre Foncier n°16.025-BA « MIAMI VILLAGE », izay voasoratra ara-dalàna eo anatrehan’ny Sampan-draharahan’ny Fananan-tany.
Tamin’ny taona 2010, noho ny antony mahaolona sy mba hisorohana ny disadisa, dia nanolotra vahaolana am-pilaminana i Atoa RATOVOARISOA Tovo Andriamasinavalona ka nanolo-kevitra ny hanome ampahany amin’ny tany ho an’ireo mpibodo tany. Miisa ho 129 ireo olona nibodo tany teo nanao sonia légalisé tao amin’ny firaisana tany amin’ny fanekena sy fifanarahana amin’ny tompon-tany tamin’ny taona 2011
Nisy fifanarahana an-tsitrapo sy procès-verbal voasonia ary nohamarinina ara-dalàna. Nisy ihany koa ny lisitra sy ny sonian’ireo mpibodo tany nanaiky hifampiraharaha sy hanaiky ny fisian’ny tompon-tany ara-dalàna.
Na izany aza, nisy tamin’izy ireo no niova hevitra tatỳ aoriana ka nitarika ny hafa hitory teny amin’ny fitsarana mba hanafoanana ny titre foncier.
Efa nitsara anefa ny Fitsarana.
Nolavin’ny Tribonaly ny fangatahana fanafoanana ny titre foncier.
Nohamafisin’ny Fitsarana Ambony izany didy izany.
Nolavin’ny Fitsarana Tampony avokoa ny fitoriana sy ny fanoherana rehetra.
Nolavina ihany koa ny Pourvoi dans l’Intérêt de la Loi (PIL) nataon’ireo mibodi ny tany.
Voamarina ara-pitsarana fa manankery sy ara-dalàna ny Titre Foncier n°16.025-BA.
Tsiahivina fa araka ny lalàna malagasy momba ny fananan-tany:
Tsy mahatonga olona ho tompon-tany ny fibodoana na dia maro an’isa aza izy ireo.
Tsy manome zo ny fanorenana trano tsy misy taratasy ara-dalàna.
Tsy maharesy titre foncier ny fanambarana am-bava, ny tsaho sy ny video atao eo amin’ny Facebook na ny fanerena an kolaka ataon’olona maro.
Ny titre foncier no porofo ambony indrindra momba ny fananan-tany, mandra-panafoanan’ny fitsarana azy.
Marihina fa na dia nisy aza ny fanalam-baraka sy ny fiampangana an’i Atoa RATOVOARISOA Tovo Andriamasinavalona ho mpangalatra tany eto Toamasina, dia hamafisiny fa io tany io dia fananany ara-dalàna, voaporofo amin’ny titre foncier sy ireo didim-pitsarana rehetra efa nivoaka.
Tsy ny isan’ny olona mandainga no mamaritra ny marina.
Tsy ny tabataba Facebook no tokony maharesy ny lalàna.
Tsy ny tsaho ahely no manafoana titre foncier.
Azo hamarinina any amin’ny Tribonaly sy ny sampan-draharaha misahana ny fananan-tany ny taratasy rehetra, na ny bornage na ny didy rehetra nivoaka ary ny titre .
Ny antontan-taratasy no miteny. Ny didim-pitsarana no manapaka. Ny lalàna no ambony indrindra. Ary Madagasikara dia tany tan-dalàna.

14/06/2026

Mampalahelo fa misy olona mino sy miheritreritra fa afaka mandresy ny lalàna amin’ny alalan’ny tsaho sy lainga aparitaka eto amin’ny Facebook.

Tsarovy anefa fa ny didim-pitsarana sy ny antontan-taratasy ara-dalàna no mamaritra ny marina fa tsy ny lainga afafy eo amin’ny tamba-zotra FB.
Tany lova efa manana titre foncier sy efa vita borne ara-dalàna amam-polony taona maro nanomboka tamin'ny 7 décembre 1942 amin'ny tena tompony io tany resahina io. Efa nodinihina sy nentina eo amin’ny fitsarana imbetsaka ny raharaha ary efa nahazo rariny ny tompony hatramin’ny ambaratonga voalohany, niaraka tamin’ny fampiharana ny didy teo noho eo. Nisy ny fampiakarana fitsarana nataon’ny ankilany, saingy na izany aza dia mbola niverina hatrany ny fanamafisan’ny fitsarana ny zon’ny tompony ara-dalàna. Hatramin’ny fitsarana an-tampony dia nanamafy izany foana nanaraka ny PIL izay milaza fa an’nytompony izay alaina baraka io tany io.
Nefa na dia efa nanana ny rariny aza izy dia mbola naneho faharetana sy finiavana hifampiresaka noho ny maha-olona. Indrisy anefa fa ny valin’izany dia fanoherana sy fibodoana tsy ara-dalàna hatrany.
Tsy tokony hohadinoina fa tsy cadastre na tanim-panjakana io, fa tany manana tompony mazava tsara, misy titre ary voafaritra ara-jeografika vita borne hatramin’ny 1942. Raha nisy porofo ara-pitsarana manamarina ny mifanohitra amin’izany dia efa naseho ampahibemaso hatry ny ela izany. Saingy tsy misy izany satria ny antontan-taratasy sy ny didim-pitsarana rehetra dia samy manamafy ny maha-tanin’io tompony io ilay toerana.
Tsy ny isan’ny olona maka tsy ara-dalàna no mamaritra ny rariny. Tsy hoe satria maro an’isa ny mibodo dia lasa azy ny tany. Ny lalàna no mamaritra ny tompony, ary ny fitsarana no efa niteny mazava momba izany. Ary nandritra ny fotoana nandehanan’ny ady dia nipetraka tany ivelany foana io tompony pandova io fa izao izy vao miverina eto hisitraka ny fananany.
Koa raha tena nitady ny vahaolana sy ny fihavanana ianareo dia ny fifampiresahana sy ny fanajana ny lalàna no lalana tokony hizorana, fa tsy ny fanalam-baraka sy ny fanaparitahana vaovao tsy voamarina eto amin’ny tamba-zotra.
Firenena tan-dalàna i Madagasikara. Tokony hajaina ny didim-pitsarana, hajaina ny zo amin’ny fananana, ary hajaina ny marina.

Aoka tsy hampianarina sy ahodikodina ny sain'ny vahoaka madady harona ary entina amin'ny lalana diso ny taranatsika hanohitra ny lalàna rehefa tsy mifanaraka amin’ny tombontsoantsika izany. Ny rariny sy hitsiny dia tsy miova arakaraka ny tabataba atao eto amin’ny Facebook.
Tsy diso ary ara-dalana tanteraka ny pitandro filaminana manantateraka ny didy manakery.

Ny marina dia ny lalàna no tokony hanjaka fa tsy ny tsaho sy ny fanaratsiana feno lainga tsy marim-pototra…

"Rehefa efa niteny ny lalàna sy ny fitsarana, dia tsy ny tsaho eto amin’ny Facebook intsony no tokony hohenoina fa ny marina voaporofo sy ny didy manan-kery."

Photos from Antenimierampirenena's post 09/06/2026
04/06/2026

Le peuple malgache a le droit de se poser des questions.

Pourquoi certains membres de la Haute Cour Constitutionnelle de Madagascar semblent-ils aujourd’hui vouloir jouer un rôle politique plutôt qu’un rôle d’arbitre constitutionnel ?

La mission de la HCC est de protéger la Constitution, de garantir l’équilibre des pouvoirs et de défendre l’État de droit.

Mais lorsque des décisions ou des initiatives donnent l’impression de viser directement la stabilité des institutions et la continuité de l’État, il est normal que les citoyens s’interrogent.

La Constitution ne doit jamais devenir un outil permettant à quelques personnes de décider seules de l’avenir d’une Nation entière.

Lorsque des juges constitutionnels paraissent sortir de leur rôle d’arbitres pour entrer dans l’arène politique, la confiance du peuple envers les institutions est fragilisée.

Les Malgaches doivent rester vigilants.

La démocratie ne se défend pas seulement contre les coups de force visibles. Elle se défend aussi contre toute tentative de détourner les institutions de leur mission première.

La vraie question n’est pas de savoir qui détient le pouvoir aujourd’hui.

La vraie question est : voulons-nous que demain, quelques responsables institutionnels puissent modifier l’avenir politique du pays sans que le peuple soit au centre de la décision ?

Madagascar appartient au peuple malgache. La souveraineté nationale appartient au peuple. Aucune institution, aussi importante soit-elle, ne doit l’oublier.

28/05/2026
Vous voulez que votre organisation soit Service Du Gouvernement la plus cotée à Montpellier ?
Cliquez ici pour réclamer votre Listage Commercial.

Site Web

Adresse


6, Rue Des Scabieuses
Montpellier
34000