Liva Rason
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Liva Rason, Politician, Ambositra.
Ny tenako dia avy ao Ambohibary avy ato Fahizay ao Imady ala distrika Ambositra
Manambady aman-janaka ary 4 mianandahy
Manana fifandraisana avy any ivelany na eto an-toerana noho ny fahandraharahana aran-toekarena
Solombavambahoaka
Betsileo 100%
πΊπ³ π²π¬ πππ‘ππππ§π² πππ¦π’π§βπ§π² πππ§π² π¦ππ₯ππ ππ¬π², π§ππππ¨π§βπ§π² π π’π₯π¨π‘ππ§'π§π² π ππ§ππ―ππ¨π³ππ§π π§π² πππ©π¨ππ₯π’π€π, π§π² ππ¨Μπ₯π¨Μπ§ππ₯π² πππππππππππππ ππ’ππ‘ππΜπ₯, πππ¨ ππ¦π’π§'π§π² π π’π‘ππ¨π§ππ¦ππ π ππ‘π-ππ ππ§'π§π² π π’π«ππ§ππ§π ππ’π€ππ¦πππ§π tao πππ° ππ¨π«π€, ππππ³π¨π§π’π
23/09/2026
π₯ Anasana ny vahoaka rehetra indrindra isika aty amin'ny kominina 10 mandrafitra ny dΓ©partement IMADIALA ho Tonga maro hanotrona ity fotoana lehibe ity,
β MIFARIMBONA HO AN'NY FAHASALAMANA
β‘οΈ SOLOMBAVAMBAHOAKA LIVA RASON ANILANAO MIARAKA AMINAO AKAIKY ANAO HATRANY π€π€
21/09/2026
β³οΈ KOMININA AMBINANINDRANO
π£οΈ VAHOAKA liam-pandrosoana no mandrafitra ny kominina ambanivohitra Ambinanindrano na dia eo aza ny fitokana-monina mahazo azy ireo nohon'ny fahapotehana tanteraka ny lalana mampitohy azy amin'ny renivohitry ny Distrika Ambositra.
πNa eo aza izany dia miezaka hatrany ny vahoaka mikarakara izay hahatsara ny velo - tenan'izy ireo.
π£οΈ Tsapany fa ny LALANA no lalandran'ny FAMPANDROSOANA ka misy n'y ezaka asatanana maro mamaky n'y lalana mampitohy ny fokontany tsirairay mifandray amin'ny renivohitry ny kominina ka nisy ny fifampiresahana amin'ny FANAMPIANA tokony hatao azy ireo.
β¦οΈAraka ny fangatahana nataon'izy ireo dia miasa mamaky lalana zareo ka ny sakafon'ny mpiasa amin'izany no nangatahana fanampiana.
β
Toy ny fanaontsika dia natolotra azy ireo androany n'y vary ka tonga nandray izany teto Ambatolahy ny solo tenan'ny MPONINA ISAM- POKONTANY notarihin' ny Chef fokontany sy ny lefiny mba Hitatitra an doloha ireto vary ireto,
πVantan- dehilahy manodidina ny 400 no naneho Firaisankina nitatitra izany.
π£οΈNy lalana mampitohy ny kominina MAROSOA makany AMBINANINDRANO kosa dia efa misy ny lamina mahakasika azy io Ary efa any amin'ny tompon'andraikitra mahefa ny mikasika an'izay. Miady mafy isika mba hisy izay fanamboarana izay na dia amin'ny ampahany voalohany ihany aloha.
β MIFARIMBONA HO AN'NY FAMPANDROSOANA
β‘οΈ SOLOMBAVAMBAHOAKA LIVA RASON ANILANAO MIARAKA AMINAO AKAIKY ANAO HATRANY π€ π€
20/09/2026
π£οΈ Lalandra mikoriana mitarika sy miantoka ny FAMPANDROSOANA ny LALANA, na lalam-pirenena io , na lalan-kely mampitohy ireo samy fokontany sy kominina samihafa.
π£οΈ KOMININA AMBOSITRA II, nisy n'y asa tagnamaro nataon'ny fokontany fanatsarana ny lalana eny amin'ny Saha Britto mahazo iny amin'ny Mopera MAX iny, Tonga nanolotra vary ho sakafon ireo VAHOAKA nandray anjara tamin'ny fanatsarana ny lalana ny SOLOMBAVAMBAHOAKA LIVA RASON hanomezana fankasitrahana sy fankaherezana azy ireo.
πIzay manao ro ampiana Ary izay miasa no omena tosika
β¦οΈ Nankasitraka izao fihetsika izao ny mpahazo tombotsoa tarihin'ny Maire Dominique sy Mopera MAX Tompon'andraikitra akany TSARAHONENANA .
β MIFARIMBONA HO AN'NY FAMPANDROSOANA
β‘οΈ SOLOMBAVAMBAHOAKA LIVA RASON ANILANAO MIARAKA AMINAO AKAIKY ANAO HATRANY π€π€
Mankasitraka Anβ Andriamatoa Ministra Ny Fitanterana Aho noho ny fanomezana hasina Sy Lanja ny mpandeha rehetra ka nanolorana tobim-piantsonana Fisandratana hampiasanβireo koperativa moratoria rehetra
Izao no atao hoe FANAVAOZANA
14/09/2026
πΎ FIDINANA IFOTONY ENY ANIVONβNY KAOMININA β ILaka CENTRE
Ny fidinana ifotony eny anivonβny Kaominina no ezaka atao mba hihainoana mivantana ny vahoaka, hijerena ireo olana maharary azy ary hanatanterahana ireo zavatra nampanantenaina.
π Teto aminβny Kaominina Ilaka Centre, dia niara-nivory taminβireo solontena isam-pokontany ny tenako sy ireo mpiara-miasa, ka nifampidinika momba ireo laharam-pahamehana ho anβny tantsaha.
Anisanβizany ny:
π± fahazoana masomboly,
πΎ zezika,
π§ ary ny fanamboarana ireo tohadrano, izay mamatsy rano ireo tanimbary mirefy manodidina ny 900 Ha.
π€ Vonona ny hiara-hientana sy hifanome tanana ny rehetra, satria tanjona ny hahita fampandrosoana akaiky sy azo tsapain-tanana, ao anatinβizao ezaka fanavaozana izao.
β MIFARIMBONA HO AN'NY FAMPANDROSOANA
β‘οΈ SOLOMBAVAMBAHOAKA LIVA RASON ANILANAO MIARAKA AMINAO AKAIKY ANAO HATRANY π€π€
12/09/2026
π± Ny maha TANTSAHA dia ny fanatanterahana hatrany ny asa maha mpamboly.
π FARIMBON' NY TANTSAHA, distrika AMBOSITRA, ao anatin'ny fanatanterahana ny fanaovana voly avotra dia notolorana masomboly VOAN'ANANA daholo ny fikambanana isaky ny kominina.
π±Raha ho an SOLOMBAVAMBAHOAKA LIVA RASON dia napetraka ary tanterahina Ilay filamatra hoe : TSY MISY KOMININA HO HADINO, ka izany no anentanana antsika hivondrona anaty fikambanana.
β³οΈ Ianareo tompon'andraikitra isaky n kominina tsy mbola nahazo ny anjaran'ny fikambanana de afaka mandalo maka izany ety amin'ny Birao.
β¦οΈTanjontsika ny hanova sy hampivoatra ny fari piainan'ny tsirairay koa ndao hifarimbona hiara handroso. Aza misalasala manantona sy mifampiresaka hahafatarana ny olana misy eny anivon'ny kominina sy fokontany tsirairay.
β MIFARIMBONA HO AN'NY FAMPANDROSOANA
β‘οΈ SOLOMBAVAMBAHOAKA LIVA RASON ANILANAO MIARAKA AMINAO AKAIKY ANAO HATRANY π€π€
Misaotra Anao Andriamatoa Ministre
09/09/2026
πImerina Imady,
β³οΈ Fanomezam- boninahitra an'io RALAIVELO Daniel, Depute -Maire tao Fianarantsoa, zanaky ny Faritra AMORON'I MANIA, Distrika Ambositra, Kominina IMERINA IMADY.
β¦οΈTonga manotrona izany ireo olom panjakana maro, ahitana ny MINISITRY NY SERASERA sy KOLONTSAINA sy ny MINISITRY NY FIZAHANTANY SY ASATANANA, ireo SOLOMBAVAMBAHOAKA maro.
06/09/2026
π KOMININA IMERINA IMADY
πΎ Ho fitsinjovana ny fiainan'ny tantsaha hahafahan'izy ireo mampitombo ny vokatra hiatrehana ny taona, dia tsy misalasala isika manampy ireo kominina sy ny tantsaha miezaka.
β»οΈ Nanolotra simenitra 30 kitapo isika hanampy azy ireo amin'ny fanaovana n'y barazy eo Ambalavato izay manondraka velaran- tany amina hekitara maro.
β¦οΈIzay manao no ampiana, Ary izay miasa no ankaherezina sy omena tosika
β MIFARIMBONA HO AN'NY FAMPANDROSOANA
β‘οΈ SOLOMBAVAMBAHOAKA LIVA RASON ANILANAO MIARAKA AMINAO AKAIKY ANAO HATRANY π€π€
Category
Website
Address
Ambositra
306