ILEM

ILEM

Share

Tsy poezia fa soratra
Ary soratra mivantana :
mikendry hampita hafatra. ✍️

28/07/2026

Hafatra kely... 😉💪

28/07/2026

Pejy vaovao no misoratra eto androany
Pejy leo ny fitaka sy fendrofendro lava
Soratako ho an'ny tenako hamafako ireo tomany
No sady hanamafisako hoe ny antsika efa rava.

Fa ny pejy nisy anao dia efa lavenona ankehitriny
Satria efa nesoriko tsy ho anatin'ny diariko
Ary ampy hanadinoako ireo fanaotsika fahiny
Ilay pejy vaovao ato izay manomboka soratako.

Ho anaran'olon-kafa no hiverimberina ao
Dia izy ilay manampy hanasitrana ny ratrako
Ny teny omeko farany : “mirary soa ho anao,
misaotra anao nandray anjara tao anatin'ny tantarako.”

ILEM 🫶

25/07/2026

Tsy tsapako hatrizay fa hay fitiavanao no
Nahatonga ny avonavona sy ditraditra keliko
Tsy tsapako hatrizay ho'aho fa nataoko kilalao,
Nataoko ts'inona ts'inona ilay hany tena anjeliko
Nitondra fahazavana

Tsy tsapako hatrizay fa izaho no menarana
Tsy nitazona ny voady izay natao tany am-boalohany
Ary koa tsy nieritreritra ny lalana malama
Fa nanao izay saina fantatro sy nihevitra ho ambony

Nahasahy niteny mihitsy hoe ianao tsy tiako intsony.

Fa eto izao androany...
Eto izao tomany sy kikisan'ny adin-tsaina
Noho ny lasa rehetra vitako nahatonga anao naratra
Dia ny nenina isan'andro no tsy maintsy hoe zakaina
Dia tsy maintsy eken'ny saina fa efa an'olon-kafa
Ilay fitiavana nahazatra izay natolotrao fahiny

Dia hoy aho hoe tsy misy tsiny...
Fa amin'izao vao tsapako ny alalin'ny hadisoana
Ka raha manoratra eto dia tsy akory handravarava
Tsy sanatria hanozona aho fa hitalaho sy hifona
Mangatam-pamelana mba hahita ilay mazava
Eny an-tratran'olon-kafa...

Ny tantaratsika roa efa difotry ny lasa ka tsy fohaziko eto intsony
Maniry te handroso aho saingy tsy afaka hanao dingana
Raha toa ka mbola tsy afaka ireo alahelom-pony
Raha toa ka mbola mangana sy koa mbola tsy sitrana
Ireo fery izay avy amiko.

ILEM ❤️

24/07/2026

Raha nisy koa nampiavaka sy nahatsara anao
Dia mba tsarovy izao...
Hoe aza miova intsony.
Raha betsaka ireo mpialona sy mpankahala anao
Ataovy tohatra fiakarana ho amin'ny tena ambony
Hanatraranao ilay tanjona sy nofy hatramin'izay

Azonao ve izany ?
Fadio ny mitomany rehefa betsaka mpanenjika
Ary mijoroa hatrany mba ho tena olom-banona
Dia aza kivikivy koa raha tratran'ny endrikendrika
Fa efa fiainana eto dia tsy atao mahagaga izany.

Aza adino mihitsy fa ianao dia olo-miavaka
Efa noratrain'ny lasa saingy mbola io mijoro
Dia tsy amin'ny olana ihany vao ilaina be ny vavaka
Fa amin'ny andro rehetra sy ny ora manontolo.

Sahia midera tena rehefa tojo fahombiazana
Fa ireny no mamaritra ireo ezaka efa vita
Saingy aza adinoina fa ny fiainana fianarana
Raha sanatria midofotra dia lesona hahatafita

Fa tsy akory tapitra eo... 💪

ILEM. 🖤

23/07/2026

❤️💍

22/07/2026

Indray andro...
any ianao hahita olona, tsy nosaininao akory.
Hahatonga anao hahatsapa
fa mbola fiainana ny fiainana.

Indray andro...
any ianao hahita olona,
hanampy anao raha ory.
Tsy hamela anao ho torotoro
fa hampitràka anao amin'ny sarotra.

Indray andro...
any ianao hahita olona,
vonona hiaritra miaraka aminao
Dia tsy handao anao raha mazana
ny ady ho lalovana amin'ny fiainana eto izao.

Indray andro...
any ho hitanao fa misy vidiny
ihany ny fiaretanao androany,
hisinda ny tomany, ho tapitra hatreo izany.

Eny,
Indray andro any...

ILEM. 🖤

21/07/2026

Mila anao matanjaka ara-tsaina ny eto an-tany
Mila anao mahatakatra fa ny olana sedraina
Dia zavatra miserana, mandalo fotsiny ihany
Ka tsy mila atao mahakivy, fa natao mba ho zakaina.

Natao mba hivoarana,
natao mba ho fianarana
Natao koa mba ho dingana,
natao mba hikirizana
Natao mba ho ankafizina.
Hanampy anao hanakatra
ny avo izay irina
Hanampy anao hahazo
ireo zava-tena tiana.

Ka mila anao matanjaka...

ILEM ✊❤️

20/07/2026

Raha azoko naverina ny zavatra efa lasa
Raha azoko novaina ireo safidy efa mba vitako
Dia mbola ianao foana no lany ho mpanjaka
Satria ianao no tiako, sady telina sy sitrako.

(...)

Tsy misy nanenenako izay vita taminao
Fa mainka aza nampiadana ny foko hatramin'izao
Ka raha hisy fanindroany ny fiainana eto an-tany
Dia tsy hiova ny safidiko, fa mbola ianao hatrany.

Ianao ilay tena mamy.

ILEM 🫶❤️

20/07/2026

❤️🫶

Website

Address


Majunga